- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Rangahy 60 taona mpanamboatra basy, voasambotra

Andapa : Rangahy 60 taona mpanamboatra basy, voasambotra

Basy vita gasy efatra, niaraka tamin’ny fitaovana fanamboarana azy ireo no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Andapa, ny faran’ny herinandro teo. Rangahy lehibe iray efa ho 60 taona no voasambotra tamin’izany.

Nisy ny angom-baovao azo teo anivon’ny zandary mahakasika ny fisiana olona iray mpanamboatra sy mpivaroatra basy vita gasy ao amin’ny fokontany Antanimbaribe, kaominina Ambalamanasa distrika Andapa. Mba ho fampandriana fahalemana ao anatin’ny faritra Sava, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra voalohan’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary misahana iny faritra iny ka nampaniraka ireo teo ambany fahefany nidina tany an-toerana. Nisy tokoa araka izany ny vokatra, satria dia mbola teo am-pikononkononana  sy teo am-panamboarana ireo fitaovam-piadiana mihitsy ny lehilahy iray antsoina hoe J., izay fantan-daza any an-toerana amin’io resaka io no tra-tehaky ny zandary. Nosavaina avy hatrany ny tranony ary tamin’izany no nahitana ireo basy gasy  efatra niaraka tamin’ireo fitaovana isan-karazany fanamboarana basy sy bala marobe. « Tao anatin’ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany io lehilahy io ary natolotra ny fampanoavana »  hoy ny vaovao. Tsiahivina, fa isan’ny melohan’ny lalàna manan-kery eto amintsika ny fanamboarana basy sy bala tsy ara-dalàna. Ary ireny olona ireny ihany koa no isan’ny mpamatsy basy ireo andian’olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana; izay hita ho mirongatra tanteraka amin’izao. Tsy mitsahatra ny manentana hatrany ny olona izay manana angom-baovao mba tsy hisalasala hanambara izany moa ny  eo anivon’ny zandarimariam-pirenana. « Izany no antoky ny fahombiazana ,na izany na tsy izany,  dia miezaka hatrany ny Zandarimaria manakaiky ny vahoaka mba hahafantarana bebe kokoa ny olana misy, ary hamaha izany ao anatin’ny fotoana fohy mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici