Ny alin’ny talata 20/03/2013, tao amin’ny Fkt Mahadera – Kaominina Betsakotsakon’Andranotsara – Distrikan’ Andapa – Faritra SAVA no nisian’ny jiolahy 4 nangalatra voan-davanilina manta. Nanambaran’ny Raiamandreny vitsivitsy ao amin’io fokontany io sy ny Lehiben’ny Poste Avancé ao Ambodiangezoka taminay fa:
“Araka ny voalazan’ny mpahalala vitsivitsy ny iray amin’ireo jiolahy roa maty ireo,dia avy tany amin’ny fokontany Ambodimangasoa, fokontany iray avy ao anatin’ny kaominina voalaza etsy ambony, ireto jiolahy ireto vao nandeha nidina tany an-tsaha ao amin’ny fokontany Mahadera”, hoy ny nambaran’ ny naman’ny andrimasom-pokonolona.Izaho, hoy ihany izy, raha naheno ny poa-basy dia lasa haingana nitsaitsaika niakatra an-tanàna ary mba niara-dia tamin’ny fokonolona sy ny andrimasom-pokonolona tonga tany. Tena marina, hoy ny tantsaha vitsivitsy taminay fa: “ Tsy fitsaram-bahoaka no nahafaty ireo jiolahy roa amin’ny 4dahy ireo fa ny haben’ny ferin’ny antsy nahavoa azy ireo. Tonga hangala-boan-davanila manta tany ny anton-dian’zy ireo vao nikasa hamaly sy hamely ny andrimasom-pokonolona. Samy namely sy nifira antsy izy roalahy ary mba nisy naman’ny andrimasom-pokonolona tonga tany roalahy mba voan’ny antsy maranitr’izy ireo koa izay teo anoloan’ireny jiolahy anankiroa ireny. Raha henon’ireo jiolahy ireo mantsy ny gonongonin’ireo andrimasom-pokonolona efa ho tonga tany an-tsaha iny, tonga dia notantesin’izy ireo tamin’ny fanafihana azy ireo indray ny andrimasom-pokonolona fa tsy mba nandositra toby roa hafa. Soa ihany fa mba naharo ny tenan’izy ireo ny andrimasom-pokonolona nefa mba samy voaratran’ireo jiolahy ireo. Ireo jiolahy roa nanafika fa tsy mba nandositra no tena voa mafy. Noho ny haben’ny rà nivoaka tamin’izy ireo no nahafaty azy ireo”.
Niaro tena
Tantsaha iray mba naheno koa no nitsaitsaika nitantara ny zavatra hitany tamin’ny fokonolona ka hoy izy hoe: “ Rahefa tafiditra tao anaty alan-davanilin’ny mpamokatra iray avy ao amin’iry fokontany voatondro etsy ambony iry izy efa-dahy dia nanapoaka basy mba hampitahorana ny olona mihaodihaody takaiky. Isan’izany ny niandry ny voan-davaniliny any an-tsahany. Izany tifitra basy izany no nanaitra ny olona manodidina. Tantsaha vitsivitsy manana alan-davanila mifanakaiky amin’ny nidiran’ireo jiolahy ireo koa no mba nanazava taminay fa mba naheno ny poa-basy koa izy ireo. Ny lehilahy iray sahy nitsaitsaika ary nandalo takaikin’ilay alan-davanila nidiran’izy ireo ka nahita azy ireo efa am-pisangorana ny voan-davanilin’olona nidiran’izy ireo. Izany toe-javatra izany, hoy itsy farany itsy, no nanosika ahy hitsaitsaika indray koa ka nampilaza hatrany amin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany. Teo no ho eo, dia nanapa-kevitra ny nidina tany an-toerana koa ny fokonolona raha vantany vao nandre ilay vaovao nolazain’iry tantsaha nampilaza iry. Nefa raha vao naheno feon’lona ireo jiolahy ireo dia nanatona izy ireo dia tonga hamely ny andrimasom-pokonolona sy ny fokonolona ho any amin’ilay toerana nidiran’ireo jiolahy ireo fa tsy mba nandositra toa ny naman’izy ireo hafa.
Hatramin’izao dia mbola ao anantin’ny fIkarohana azy ireo ny zandary sy ny fokonolona. Tsy fantatr’izy ireo mantsy, fa iretsy olona maro tojo azy ireo iretsy dia andrimasom-pokonolona ka notafihin’izy ireo. Isaorana Andriamanitra fa niaro tena tamin’ny antsy teny an-tànany ny notafihan’ireo jiolahy ireo ka mba nahavoafira antsy koa ny nifanandrina sy namely azy ireo. Na teo aza ny fanafihan’iretsy jiolahy roa iretsy ka nahavoaratran’ny antsy azy ireo dia mba nahavoaratra ireo jiolahy roa nanafika koa ny andian’andrimasom-pokonolona roa lahy teo anoloan’ireo jiolahy ireo. Nomarihin’iretsy olona nanambara taminay ny zava-nisy tany iretsy dia nilaza tsara fa maty noho ny haben’ny fery nahavoa azy ireo ireny jiolahy roa ireny. Samy nanamarika itsy nambara anay etsy ambony koa ny tompon’andraiki-panjakana roa any an-toerana; izay nanontanianay tany an-toerana.
REMI, Rakotonirina