- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Tafatsoaka ary karohina fatratra ilay namono nahafaty ny rahalahiny imasom-bahoaka

Andapa : Tafatsoaka ary karohina fatratra ilay namono nahafaty ny rahalahiny imasom-bahoaka

Vono olona imasom-bahoaka. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, raha ny vaovao farany azo avy any an-toerana, dia tsy hita popoka hatramin’izao izay nanjavonan’ilay lehilahy nahafaty ny rahalahiny 38 taona tamin’ny alalan’ny  tetika antsibe, ny alahady tolakandro teo, tany Andapa. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray hatrany, dia nandritra ny fotoana nikarakarana ny fatin’ilay rahalahiny novoinoiny imasom-bahoaka teo anoloan’ny mpitandro filaminana izy no nanjavona tampoka. Raha tsiahivina ny tantara, dia nifamaly ireto mpirahalahy, ny alin’ny asabotsy teo. Tezitra ilay zandriny voateny mahery, ka nadoro ny tranony zokiny niisa roa. Avy eo lasa nandositra ilay nahavanon-doza. Rehefa nokarohin’ny fianakaviany sy ny fokonolona, dia tratra ny tolakandron’ny alahady teo, ary raikitra avy hatrany ny vono sy daroka. Nilaza ny ananatra an’ity zandriny nandoro ny tranony teo imason’ny mpitandro filaminana sy mpitondra tany an-toerana ilay zokiny, vao atolotra ny manam-pahefana ny nahavaon-doza, kanefa rehefa nandalo teo amin’ireo trano may izy mirahalahy narahin’ny fokonolona, dia tezitra ilay zokiny ka nikapa tamin’ny antsy ary maty tsy tra-drano tao anatiny indray mipi-maso ilay zandriny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici