- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Tovolahy nanindrona antsy nahafaty ny sipany, matin’ny fitsaram-bahoaka

Andapa : Tovolahy nanindrona antsy nahafaty ny sipany, matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’ Andapa, Faritra Sava, afak’omaly alina. Tovolahy iray nanindrona antsy ny sipany, ka nahafaty an’ ity tovovavy ity, no matin’ny fitsaram-bahoaka, tao Anketrakabe any amin’ny Kaominina ambanivohitry Bevontro. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia ravan’ny Fokonolona mpanara-dia sy ny fianakavian’ny maty teo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana nisambotra azy, raha saika hoentina any amin’ny tobin’ny Zandary ao Amboangibe ity tovolahy namono nahafaty ny fofombadiny, ny alarobia hariva teo tokony ho tamin’ny dimy ora. Nentin’ny Fokonolona niverina avy hatrany namonjy ny toerana namonoany ny olon-tiany ity mpamono olona, ary novonoin’ny Fokonolona izy avy teo. Raha ny fantatra, dia samy andrasana eo amin’ny tsangambato ao Anketrakabe amin’izao ny fatin’ireto mpifankatia roa. Ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, mahakasika an’ity vono olona ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici