- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Tovovavy mpianatra hita faty, novonoina tamin’ny fomba nahatsiravina

Andapa : Tovovavy mpianatra hita faty, novonoina tamin’ny fomba nahatsiravina

Tato anatin’ny herinandro, raha ny vaovao voaray, dia nirongatra ny vono olona arahina fanolanana tany amin’ny Distrikan’ Andapa, Faritra Sava. Omaly naraina, tovovavy iray mpianatra amina sekoly tsy miankina iray any an-toerana no hita faty nihosin-drà, tao amin’ny Fokontany Antangena. Raha ny fanazavana azo, dia novonoina tamin’ny alalan’ny tsindron’ antsy sy kapa famaky ity « manangy » ity, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia, ka naraina ny andro vao hita nivalapatra teo am-baravaran’ny trano nonenany ny vatana mangatsiakany. Raha  ny fantatra, dia avy any Ambalavelogno Anoviara ity tovovavy nisy namono ity. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny/ireo nahavanon-doza.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici