- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Vehivavy hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Andapa : Vehivavy hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Tsy mety milamina mihitsy ny ao amin’ny distrikan’ Andapa, faritra Sava. Nitrangana vono olona niseho tamin’ny fomba feno habibiana indray tany an-toerana, afak’omaly, ka renim-pianakaviana mpivarotra anana iray no hita faty nihosin-drà vao maraina, nisy namono tamin’ny lalana Andilana. Raha ny vaovao voaray, handeha hividy entana vao maraina hamidy ao « Andapa Ville » ity ramatoa fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Maman’i Ezra ity no nisy nanapitra teny an-dalana ny ainy, ary faty nohosin-drà no nalain’ny havany. Hatreto, tsy fantatra ny tena anton’ity vono olona ity, na noho ny fialonana na asan-jiolahy tsotra izao. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany no afaka mamaly izany fanontaniana izany. Raha ny tarehimarika azo, efa tafakatra folo amin’izao ny olona maty nisy namono tany Andapa, ka vehivavy avokoa ny sivy amin’ireo namoy ny ainy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici