Nitrangana fanafihana mpitam-piadiana mahery vaika izay nahitana kalaky nataon’ ny jiolahy enina be izao, tao Ankoba, tanàna iray ao Andapabe Mampasina Maningory, ny alin’ny 23 desambra nifoha ny 24 desambra ny taona lasa . Vola 40 tapitrisa ariary vidin’ entana sy vidin-jirofo lafon’ireto fianakaviana voatafika ireto, no lasan’ireo andian-jiolahy tamin’izay fotoana izay. Lasan’ireto andian-jiolahy ireto ihany koa nandritra izany, ny finday avo lentan’ity fianakaviana ity, niaraka tamin’ny karatra maha-mpikambana azy ireo eo anivon’ny banky iray ary ny firavaka volamena rehetra tao an-trano. Na efa nandrangaranga tifitra ireto fianakaviana ireto aza ireto jiolahy enina nitondra kalaky ireto, dia tsy nisy izany, nefa noho ny zava-nisy na tsy sahy nivoaka aza noho ny tahotra ny ho voatifitra, dia nisy nahatsikaritra ireo mpanafika ny manodidina teo an-tanàna,satria tsy nisaron-tava izy ireo. Tsy nahalala na inona na inona anefa izy ireo tamin’izany, ka ny 26 desambra teo dia tsy taitra nandalo tao Andapabe tsy lavitra ny misy an’ Ankoba ny telo tamin’ireto andian-jiolahy efa nidera tamin’ny haingony ny nampiasan’ny vola azony tamin’ny fanafihana, izay nivantana tao amina tokantrano iray ao an-tanàna. Nisy nahatsikaritra izy ireo ka raikitra ny sakoroka raha avy nifampandre ny fokonolona. Avy hatrany dia nandrangaranga antsy be sy sabatra izy telo lahy tsy nahateny kosa ny tompon-trano nandritra ny zava-nitranga. Vokatr’izay dia raikitra ny fitsaram-bahoaka tamin’izy telo lahy ireto, voan’izany koa ny mpampian-trano ilay voatonona ho mpiray tsikombakomba, ka maty tsy tra-drano avokoa noho ny daroka sy vely antsy be azy ireo nandritra izany. Taorian’ilay fanafihana nitam-piadiana talohan’ny krismasy anefa, dia efa nametraka fitoriana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Fenerivo atsinanana ireo fianakavian’ny niharan’izany; koa amin’izao raharaha fitsaram-bahoaka izao kosa dia ny naka ny fatin’izy efa-dahy no nataon’ny zandary…
Malala Didier