- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe : Sady voaolana ny zanany no voarahona ny reniny

Andasibe : Sady voaolana ny zanany no voarahona ny reniny

Zazavavy 9 taona no mila fitsaboana maika noho ny fanolanana nahazo azy, satria dia simba ny ao anatin’ny tranon-jazan’ity zaza ity, hoy ny nambaran’ilay dokotera nandray azy. Rahalahin-drainy niteraka azy,  23 taona, no nahavanon-doza rehefa nalaina hipetraka tao amin’izy ireo noho ny tsy maha eo lava ny renim-pianakaviana fa miasa tontolo andro. Ny alatsinainy 20 mars 2017 no niseho ity trangam-panolanan-jaza ity, raha iny avy nianatra nirava tamin’ny 4 ora sy sasany iny ity zaza ity. Efa fanaon’izy mirahavavy ny milalao rehefa avy mianatra, ka tamin’io fotoana io indrindra no nanararaotra ilay nahavanon-doza. Isan-kariva vao tonga ao an-trano ny renim-pianakaviana ka tsy nahatsikaritra raha tsy ilay zandriny vao fito taona no nampilaza taminy. Ny andron’io ihany no nanaovana ny fanaraha-maso sy ny fandehanana teny anivon’ny zandary tao Andasibe. Tsy mbola nisy fandraisana an-tanana anefa ilay zaza, na dia miha mihombo aza ny aretina mahazo azy . Nandritra ny fihaonana tamin’ity renim-pianakaviana sy ilay zaza ity no nahafantarana fa efa matetika no nanaovan’ilay dadafarany firaisana ara-nofo ity zaza ity fa norahonany hatrany. Tsy sahy mody ao an-tokantrano intsony izy telo mianaka fa nahazo fandrahonana tamin’ireo fianakavinan’ilay nahavanon-doza . Ny zoma 31 mars 2017 no nanatona ny tompon’andraikitry ny ministera misahana ny mponina eto Moramanga izy ireo, ary ity farany no nitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsaràna.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici