Tra-tehaky ny zandarmariam-pirenena tao Andasibe ireo telo lahy nanafika ny hotely Vakona ny talata 24 Jona. Nitetika ny hangalatra ny vola tao anatin’ny fitoerany, izay mafy no sady misy teny miafina vao misokatra. Nitondra antsy kalaza sy karazan-javamaranitra avokoa ireo mpanafika no sady mpiasa natokisana ao amin’ity toerana ity. Ny alahady 22 Jona lasa teo no niseho ity fanafihana ity tamin’ny 12ora sy sasany alina, izay tsinjon’ilay mpiambina avy ao anaty maizimaizina izay efa noheverin’ireto telo lahy hovonoina, kanjo mpijoko voajoko. 3 Km miala eo ny biraon’ny zandary ka raha vao nahazo antso ireto farany dia tonga avy hatrany. Teo no nahatratrarana ny iray tamin’ireo mpangalatra, ka nahamora ny fisamborana ireo roalahy ambiny. Ny 27 Jona no atolotra ny fitsarana izy ireo.
CATHY