- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Ankizy 6 taona latsaka tanaty rano, omaly vao hita faty

Andavamamba : Ankizy 6 taona latsaka tanaty rano, omaly vao hita faty

Omaly maraina vao hitan’ny olona ny fatin’ilay ankizy lahy kely vao enina taona latsaka tao anatin’ireny rano mihandrona an-tanimbary ireny, teny Ampefiloha Ambodirana, eny Andavamamba. Ny vaovoa no nahafantarana fa ankizy maromaro nilalao no niaraka. Tsy fantatra mazava izay nampilatsaka an’ilay enina taona tany anaty rano. Rehefa tsy hita ilay zaza dia raikitra ny fikarohana azy. Niala maina anefa tamin’ny talata andro nampilatsaka azy. Ny maraina omaly vao hita ilay razana. Fandrika ho an’ny ankizy kely ireny rano mihandrona eny rehetra eny ireny, indrindra ny avy nanaovana biriky. Misy tena lalina tokoa mantsy, nefa ny ankizy rehefa milalao tsy mahafantatra izany. Tokony ho mailo hatrany ny mpitaiza manoloana izany zavatra izany.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser