- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba – Anosibe : Mpanendaka mikendry fotsiny ireo mpaka entana sy...

Andavamamba – Anosibe : Mpanendaka mikendry fotsiny ireo mpaka entana sy mpivoaka maraina

Ireo sarety sy tompona fivarotana voatery maka entana vao mangiran-dratsy, eny Anosibe, mandalo amin’iny faritra Andavamamba iny no ataon’ireto olon-dratsy ireto lasibatra mihitsy raha ny angom-baovao azo. Matetika izy ireo dia miafina tsy lavitry ny tetezana manandrify ny Cenam iny, na amin’ilay lalam-baovao mizotra mihazo an’Anosibe. Misy andiany maromaro ry zalahy ireto ary mitondra sabatra sy zava-maranitra hafa. Efa maro, raha ny angom-baovao hatrany no efa tratra tamin’ireo toerana ireo ka hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo mpitandro filaminana. Mazàna tokoa mantsy dia miainga manodidina ny amin’ny roa ora maraina any amin’ny fokontany misy azy tsirairay avy any ireto mpaka entana ireto ary tsy maintsy mandalo any amin’iny faritra iny ny ankabeazany. Hany ka hany herin’izy ireo dia mivondrona sy manao lahara-manjohy rehefa handalo eo Andavamamba alohan’ny hankanesana ho any Anosibe. Na izany aza, mbola misy ihany ireo tratra. Rehefa mahazo izay ilainy moa ireto olon-dratsy ireto dia mitsoaka mihazo an’Antetezana Afovoany faharoa iny na mihazo an’Anosipatrana any amina elakelan-trano. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana hatrany dia mazàna rehefa tsy mahazo amin’ireo mpaka entana ireto andiana mpanendaka ireto dia ireo mpiasa handeha hivoaka maraina indray no ataony mahita faisana. Marihana fa iny toerana iny dia efa faritra mena hatramin’izay. Niha-nangingina teo ary maro ireo olon-dratsy no efa voasambotra, noho ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ireo hetsika maro samihafa. Saingy dia izao miverina izao indray. Mazava ho azy, mihabetsaka ireo tsy mahita hohanina intsony ireo noana sy very asa amin’izao ka lasa manita-tsaina amin’ny asa ratsy, ankoatr’ireo izay efa tanana zatra mitsotra moa ! Miditra tokoa amin’ny fiverenana amin’ny fihibohana fanindroany indray ny eto Analamanga mandritra ity 15 andro manaraka ity. Mbola mihatra ilay tsy fahazoan’ireo fiara mpitatitra miasa saingy nosokafana daholo avokoa ny seham-pihariana rehetra ao anatin’ny fanajàna ny fepetra tsy hiparitahan’ity valan’aretina mamoa-doza ity. Izany hoe, tsy maintsy hisy ireo olona, tsy mahatakatra fiarakaretsaka, voatery handeha tongotra miainga maizin’andro, te hifikitra amin’ny asany sy ny fivelomany …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici