- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Efa-dahy tra-tehaka teo am-pamakiana « salle de jeux »

Andavamamba : Efa-dahy tra-tehaka teo am-pamakiana « salle de jeux »

Bandy efa-dahy voalaza fa avy namaky trano filalaovana iray teny amin’iny faritra Andavamamba iny no tra-tehak’ireo pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, na ny SAG, ny faran’ny herinandro teo. Nahitana « télécommande »-na fahitalavitra maromaro mantsy teny amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo. Raha ny fanazavàna azo dia nisehoana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ity trano filalaovana ity ny alin’ny 11 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any. Teo amin’ny dimy lahy teo izy ireo, ary samy nitondra fitaovam-piadiana avokoa no nanao amboletra niditra tao amin’ity toerana ity. Lasa tamin’izany ireo fitaovana eletronika rehetra tao amin’io trano voatafika io, toy ny fahitalavitra, ny « consoles » sy ny fitaovana maro samihafa. Nampandre avy hatrany ny pôlisy ireo voatafika ka tamin’izany no nahatratrarana ireto efa-dahy ireto rehefa nanao sahavao iretsy voalohany. Eo anatrehan’ny trangan-javatra toy izao tokoa dia manentana avy hatrany ny mponina ny avy amin’ny pôlisy mba tsy hisalasala hampandre azy ireo mivantana raha vao misy ny tranga mampiahiahy amina toerana iray. « Hamaly izahay fa tsy hitsitsitsy, ary tena hiady tokoa amin’ireo jiolahy entina hiarovana izay fananan’ny vahoaka izay », hoy ny fanazavana nentin’ireo pôlisy, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Anosy omaly. Fantatra ihany koa fa manoloana izao firongatry ny asan-jiolahy izao dia hanohy ny hetsika « coup de poing » ireto mpitandro filaminana ireto. Hisy araka izany ny fisafoana sy ny fisavàna isan’andro fa indrindra amin’ny alina ataon’izy ireo. Efa nanomboka ny alakamisy alina lasa teo moa izany raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici