Roa vavy sy efa-dahy no tra-tehaky ny polisy miady amin’ny fidorohana zava mahadomelina teo am-pifohana rongony teny Ambilanibe Andavamba, tamin’ny talata teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana amin’ny fisian’ny fifohana rongony teny an-toerana. Rehefa tonga ireo polisy dia tratra tao ny olona enina voalaza etsy ambony. Mbola nahitana vovoka rongony antsasan-kilao tao amin’ilay trano. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa ireo roa vavy no tompon’ny zava-mahadomelina fa ireo lehilahy efatra kosa dia mpanjifa ihany, ary ao no mividy rehefa hifoka. Avy any amin’ny faritra Atsimo ireo rongony ireo no raisin’izy roa vavy. Natolotra ny Fampanohavana omaly ireto olona ireto.
r.s.