
Faran’izay haingana dia tonga ny hery vonjy taitra rehefa nahazo ny antso an-tariby nataon’ny miaramila iray monina etsy Andavamamba. Mbola hita teo avokoa ireo jiolahy mitam-basy nikasa ny hanafika ilay tokantrano. Ny sasany tafatsoaka raha voahodidin’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay iray farany. Niezaka ny sady nitsoaka io no nitifitra ireo mpisambotra azy. Namaly ny mpitandro ny filaminana, ka voatifitra teo amin’ny kibony ilay lehilahy. Ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo no nisehoan’izany fifampitifirana izany. Nezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany izy, mba hanavotana ny ainy, saingy tsy nijanona ela tao akory dia namoy aina. Miverina mafampana ny eny amin’ny faritra iva, iny boriborintany fahefatra iny, tao anatin’ny roa herinandro izay. Teo Isotry ilay fanafihana mpamongady “sachet” tamin’ny andro antoandrobe, tao Andranomanalina ilay mpivarotra saribao izay nasaina nihohoka tamin’ny tany izy sy ny fianakaviany dia norobaina ny vola tao an-trano sy ny entana mora nobataina.
D.R