- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : « Gargote » voatafika, lasa hatramin’ny peratry ny mpivarotra

Andavamamba : « Gargote » voatafika, lasa hatramin’ny peratry ny mpivarotra

Telo ka hatramin’ny dimy lahy no isan’ny mpanafika. Mitam-basy izy ireo nefa dia hala-botry no notontosaina. Novakiana ilay trano fivarotana hani-masaka, izay sady fipetrahan’ny mpivarotra sy ny ankohonany ihany koa. Omaly manodidina ny tamin’ny telo ora sy sasany maraina no nisian’ity vaky trano nampiasaina fitaovam-piadiana ity, tetsy Andavamamba. Lasa ny vola maty indray andro, ny vilany sy ny fitaovana fampiasa tao amin’ilay fivarotana. Fa ny tena nampalahelo dia tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy azo ihany koa ny peratra volamena, izay peratra…mariazy. Fotoana fohy monja no nanatontosan’izy ireo ny fanafihana. Mitovitovy ihany ny fisehony : ny finday aloha no alaina mialoha mba tsy hahafahan’ny ao an-trano miantso mpitandro ny filaminana. Mandeha amin’izay avy eo ny fangalàna ny entana izay ilaina sy ny vola raha misy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia na ny lasopy namidy aza dia nohan’ireo olon-dratsy koa. Asa na efa nataon’izy ireo kajikajy mihitsy ilay toerana hoe ao no atao famaranana, satria misy sakafo, rehefa avy rerardreraka nanafika tany amin’ny toeran-kafa. Tonga teny ihany ny mpitandro ny filaminana ary nanao ny fisafoana ny teo amin’ny manodidina, saingy efa tsy hita tao anatin’ny elakelan-trano maizin’ Andavamamba intsony ny mpanafika. Misokatra (toy ny mahazatra) ny fanadihadiana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser