- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Karana nampiresaka sipakely nosamborina

Andavamamba : Karana nampiresaka sipakely nosamborina

Ny alatsinainy lasa teo no nitranga ilay raharaha ary nahoraka teto amin’ny tambajotra sosialy. Mahakasika karàna iray izay voalaza ho mikasa ny haka an-keriny tovovavy roa izany, tetsy amin’ny fiangonana iray tetsy Andavamamba. Ny zava-nisy raha araka ny fanazavan’ny polisy dia nampiresaka ireo ankizivavy ilay karàna ary nisy torana ny iray tamin’ireo noho ny tahotra. Nisy nampandre ny polisy manoloana ilay raharaha ary tonga vetivety teny an-toerana. « Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana no nahafantarana fa nampiresahan’ity karana ity tao am-piangonana ireo tovovavy ary saika hoentiny hisakafo hiaraka aminy », raha araka ny fampitam-vaovaon’ny polisy hatrany. Notohizan’izy ireo fa : « ny iray amin’ireo tovovavy nampiresahany no nilaza fa tsy nahatsiaro tena izy rehefa avy niresaka tamin’ilay karana. Rehefa nozahana ny toe-pahasalaman’ ity tovovavy ity dia noho ny fahatahorana no nahatonga azy ho tsy nahatsiaro tena. Tsy araka ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera izay milaza ho nisy tsindrona zava-mahadomelina na fanafody hafa mety ho nampidirina taminy no nahatonga ilay fahatoranana ». Fanodikondinana zaza tsy ampy taona no nanenjehana ilay karàna ary nidoboka am-ponja vonjimaika izy rehefa natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici