Sady naratra mafy voan’ny sabatra no lasan’ny jiolahy ny vola 30 000 ariary. Raim-pianakaviana iray no niharan’izany teny amin’iny faritra Ambilanibe Andavamamba iny ny alahady 24 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Efa narahin’ireto olon-dratsy ity farany ka rehefa tonga tamin’ny toerana maizimaizina dia nosakanan’izy ireo. Ny sasany nanendaka azy ka rehefa namaly izy dia noleran’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra. Lasa tamin’izany ny vola 30.000 Ariary, rehefa vitan’ireto jiolahy ny asa ratsiny dia nirifatra nitsoaka izy ireo ka niantso vonjy ilay voahendaka izay marihana fa efa maratra be. Ny fokonolona teny an-toerana no naheno ny antso vonjin’ilay voasambotra ka niantso ny polisy izay tsy lavitra teo . Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia ka rehefa nitsaoka ireto jiolahy dia lasa tany amin’ny lalana izay tsy misy fivoahana ny iray tamin’ izy ireo ka dia noraisim-potsiny. Ny iray tamin’ireto jiolahy antsoina hoe Jean Batiste, 25 taona no voasambotra tamin’izany fa ireo namany roa kosa tafaporitsaka. Rehefa izay dia saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ity farany raha tsy teo ny mpitandro ny filaminana nitondra azy avy hatrany tany amin’ny birao nanaovana fanadihadiana. Rehefa nosavaina ny teny aminy dia tsy nisy inona intsony. Nilaza izy fa any amin’ireo namany tafaporitsaka ilay sabatra sy ny vola izay azon’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy nefa tsy nety nanondro ny namany.
T.M.