- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Lehilahy nandrahona basy ireo mpandeha taxibe

Andavamamba : Lehilahy nandrahona basy ireo mpandeha taxibe

Dia efa tena tsy misy tahotra intsony ve ireo jiolahy amin’izao fotoana izao ? Raha ity zava-nitranga tao anatina taxibe mampitohy an’Andavamamba sy Tanjombato ity no asiam-pandinihana. Raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo mpandeha dia nisy roalahy niakatra teo amin’ny fijanonana teo Andavamamba, ny talata hariva lasa teo. Ary raha vantany vao tafakatra ny fiara izy ireo, izay hita raha ny filazan’ireo mpandeha hatrany, fa efa somary mamomamo ary angamba avy nifoka zava-mahadomelina fa mena izay tsy izy ny mason’izy ireo, dia nanangam-bovona tamina mpandeha iray tao anaty fiara, izay efa saika hodarohan’izy ireo mihitsy. Nahita izany ny mpandeha rehetra, ny andro ihany koa moa efa hariva rahateo ka feno hipoka izay taxibe 172, ka niara-nirohotra nanampy ity lehilahy saika voavono tsy fidiny ity. Tamin’izay indrindra anefa no noingain’ity lehilahy iray mpila vanina ny akanjony, izay nampiseho niharihary ity basy poleta, nisisika teny am-balahany. Samy nangovitra ny olona, tsy nisy nahateny ireo mpandeha rehetra nahita ilay basy ka samy nifitsaka avokoa. Toa azy roalahy ireto irery ny fiara nanomboka hatreo. Lasa ihany ny saina eo anatrehan’izany tranga izany, tena miparitaka izay tsy izy ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao, avy aiza izy ireny ? Ary raha eritreretina hoe tsy tena izy no tena am-balahan’ity lehilahy ity, inoana marimarina fa handeha hampiasainy amin’ny zava-dratsy no antony nitondrany azy. Indrindra moa fa hoe efa somary mamo izy ireo. Efa nampandrenesina avy hatrany mikasika ity tranga ity moa ny mpitandro ny filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser