
Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nihanian’ity tovolahy iray ity andrin-jiro nitondra herinaratra mahery vaika ity. Omaly maraina, tokony ho amin’ny enina ora mahery kely tany ho any no niseho ny loza, araky ny fitantaran’ireo teny amin’ny manodidina. Ny fipoahana mafy dia mafy, ny vatana tsy nisy aina intsony, nakiraviravin’ireo tariby mpitondra herinaratra mahery vaika, nihantona tery ambony andrin-jiro no nanaitra azy ireo. Raha ny angom-baovao azo hatrany dia efa tsy atao mahagaga intsony ny mahita olona mihanika andrin-jiro. Ny sasany tamin’ireo nahita maso ity tovolahy niakatra teny ambony teny mantsy dia samy nihevitra avokoa fa mety mpiasa izy io. Izy rahateo raha ny vaovao hatrany dia tsy vitan’ny nihanika fotsiny ihany fa toa nikitikitika zavatra teo amin’ilay « transformateur » lehibe misy ireo tariby matanjaka. Tamin’io fotoana no nirefotra indray mandeha izany fitaovana izany, nanipy ilay tovolahy. Teo vao samy gaga sy taitra ny olona. Nantsoina teo no eo moa ireo tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpamonjy voina ary ny Jirama. Fantatra araka ny angom-baovao azo hatrany fa tsy mpiasa velively eo anivon’ity sampan-draharaha ity ilay tovolahy, izay namoy ny ainy avy hatrany, noho ireo herinaratra mahery vaika nanenika ny vatany. Olona tsy mbola hitan’ireo fokonolona teny an-toerana ihany koa izy. Namono tena ary ve sa inona ny antony ? Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrant ireo mpitandro filaminana. Ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity kosa, nentina avy hatrany nihazo ny tranom-paty etsy Ampefiloha, miandry ny havany maka azy. Tonga teny an-toerana nijery izay mety fahasimbana vokatr’ity loza ity ihany koa ireo tekinisiana.
m.L