- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Miaramila sandoka nifanenjehan’ny olona

Andavamamba : Miaramila sandoka nifanenjehan’ny olona

Vao maraina dia efa nitangorona ny olona tetsy Andavamamba. Nisy nilaza ho miaramila ary nanery olona hanome vola azy. Ny niharan’izany dia lehilahy iray izay nivalan-drano teo amin’ny sisin-dàlana. Nalain’ilay milaza ho miaramila avokoa ny vola tany aminy raha tsy izany dia norahonany hosamborina. Lasa tokoa ny vola 70.000 ariary ary nitomany ilay lehilhay. Io no nanintona ny olona nitangorona. Tsy namelan’ny olona ary nosavaina hatramin’ny karatra ilay mpitandro ny filaminana hafahafa. Teo no tsikaritra fa sandoka ny karatra izay nampiasany. Rehefa hitany fa ho ratsy ny fandehan-javatra dia nanao tongotra an-katoka ny anao lahy ary tafatsoaka teo an-toerana. Niezaka ny olona nanenjika saingy nandamoaka izany. Mahazo vahana ny fisandohana andraikitra mba entina hisolokiana. Mora amin’ireo olon-dratsy rahateo ny manamboatra karatra sandoka noho ny fandroson’ny teknolojia. Eo no mila matihanina rehefa hanao karatra amin’ny asa fa tsy atao kitoatoa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici