- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba nianjera norobaina: nianjera

Andavamamba nianjera norobaina: nianjera

Toy ny mana avy any an-danitra ny fahitan’ireo jiolahy ny fianjeran’ny tovolahy iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Raha mba tokony hanavotra azy ireo olona, ny môtô nentin’ilay tovolahy indray no avy hatrany dia nalain’ireo. Soa fa mba sendra nisy pôlisy teo amin’ny manodidina teo. Io no niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tsy lasa lavitra dia azo ny roa tamin’ireo. Voaverina tany amin’ny tompony ihany koa ny môtô rehefa voasambotra ireo tompon’andraikitra tamin’ny fangalarana azy. Omaly ihany dia efa nandeha ny fanadihadian’ny pôlisy an’ireo olon-dratsy izay tratra ambodiomby araka  ny fitenenana.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser