Mpamaky trano miisa efatra no nosamborin’ny polisy avy ao Ilanivato ny faha-7 martsa sy ny faha- 9 martsa. Fantatra fa izy ireo no namaky trano iray teny Ambilanibe, roa herinandro lasa izay. Very tamin’izany ny lecteur, bafle, akanjo maromaro sy vola 1 tapitrisa ariary. Nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny trano. Tadidin’ilay mpanampy tao an-trano ny endriky ny iray tamin’ireo mpangalatra. Ny alatsinainy maraina no nosamborina izy io. Rehefa nohadihadiana ny anao lahy dia nanoro ireo namany telo hafa. Ny talata no voasambotra izy ireo. Rehefa nandeha ny famotorana dia nilaza ireto mpangalatra fa tsy any aminy intsony ireo entana voalaza etsy ambony fa efa namidiny teny La Réunion Kely. Omaly alakamisy no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireo.
r.s.