Ny fotoana niezahany nialàna teo amin’ireo tariby maranidranitra teo ambony tamboho nihanihany no tsy ampy ka tsy nahalasa lavitra azy intsony nitsoaka. Noraisim-potsiny tokoa ity olon-dratsy iray, rehefa avy nifanenjehana tetsy Ambilanibe Andavamamba, ny marainan’ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena dia naterin’ny fokonolona tany amin’ny biraon’ny polisy ity lehilahy iray ity rehefa tratra am-bodiomby saika hamaky trano tao amin’ny tanàna iray tao amin’io faritra volaza etsy ambony io. Ny zava-nitranga, tamin’io fotoana io tokoa dia nihevitra ity olon-dratsy fa ho mora foana aminy ny hihanika ilay tamboho, izay efa fantatra fa nisy irony karazan-tariby mihorongorona ary feno vy kely maranitra irony. Kanefa mbola sahiny ihany, mety tonga amin’ilay fitenin’ny tanora amin’izao angamba hoe “hifonosany vy” io fa tsy maintsy vitany izay zavatra nokasainy natao. Kanjo tsy izay velively no nitranga. Ankevitry ny niraikitra na naratra vokatr’ireo vy maranitra ny anao lahy ka ela fikenona. Hany ka ren’ny tompon-trano ary tsikaritra tokoa ilay zalahy mbola manao ezaka mafy hialana amin’ireo sakana. Teo no ho eo ihany dia niantso vonjy ireo votafika. Tsy ela ihany koa dia nirohatra ny fokonolona, fihetsika mendri-piderana tokoa amin’izao, namonjy ireo lasibatra. Tsy nanam-potoana ela intsony ihany koa ilay olon-dratsy nandosirana ka tsy ela, na dia nisy ihany aza ny fifanenjehana dia tratra ilay mpnagalatra. Mazava ho azy fa efa nisy ny darodaroka kely madinidinika teny an-tsefatsefany teny, talohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny mpitandro filaminana. Eo am-panaovana famotorana mahakasika azy io moa ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana amin’izao.
- M.L