Tombanany eo amin’ny iray tapitrisa ariary eo ho eo ny basy poleta iray, niaraka tamin’ny bala efatra. Lehilahy iray tokoa no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, ny sabotsy lasa teo, tetsy Andavamamba. Araka ny vaovao voaray avy tamin’ireto mpitandro filaminana ireto, dia nahare ny fisian’ity lehilahy mivarotra basy ity izy ireo. « Vokatry ny fanomezam-baovao avy tamin’ olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny polisy miasa ao amin’ny CSP4, fa misy lehilahy iray mivarotra basy PA eny amin’iny faritra iadidiany iny ». Rehefa natao ny vela-pandrika rehetra nahafahana namantatra ity mpivarotra basy ity, dia noraisim-potsiny teo akaikin’ny toby fivarotan-tsolika iray ranamana. Teo am-pivarotana izany fitaovam-piadiana izany mihitsy moa izy no tra-tehaka. Miparitaka tanteraka tokoa amin’izao ny fitaovam-piadiana. Ny fanontaniana izay mbola tsy voavaly hatreto dia ny hoe:”avy aiza marina itony basy miparitaka itony? “. Heverina araka izany fa hizotra mankany amin’ny famaliana io fanontaniana io ny famotorana natao an’ity mpivarotra basy tsy ara-dalàna ity.
m.L