- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Mpivarotra iray voaroba, lasa ny vola 6 hetsy ariary

Andavamamba : Mpivarotra iray voaroba, lasa ny vola 6 hetsy ariary

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, tokony tany amin’ny 2 ora tany ho any, andian-jiolahy miisa enina no nandroba trano fivarotana iray teny Andavamamba. Voalazan’ny vaovao fa nitondra basy sy zava maranitra ireto bandy ireto. Avy hatrany dia ny varavarana no nopotehany ary niditra izy ireo. Taitra ihany ny olona tao anaty fivarotana ary voalaza fa nikasa hanohitra. Tsy afaka nanao na inona na inona anefa fa tonga dia voavely hazo ary tsy afaka nihetsika intsony. Naratra vokatr’izany ity olona ity. Notakian’ireo mpandroba tamin’izay ny vola. Tsy afaka namaly fa dia tsy maintsy nomena ireo jiolahy ny vola maty tao anatin’ny andro iray manontolo.  Raha vao nahazo ny vola ireo olon-dratsy dia lasa nandeha. Efa fotoana elaela taty aoriana vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voaroba. Ny loharanom-baovao hafa koa anefa no ilazana fa toa olona iray ihany no tao amin’ilay tsena tamin’ny nahatongavan’ireo mpangalatra. Amin’ny resaka vaky trano sy fandrobana, matetika, tsy misy ny fitoriana tonga eny anivoan’ny mpitandro filaminana. Fampahafantarana azy ireo fotsiny amin’ny alalan’ny antso vonjy no voaray. Na izany aza anefa dia manokatra fanadihadiana hatrany izy ireo rehefa misy mampandre asan-jiolahy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser