- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Nandona moto dia nitsoaka ilay fiara

Andavamamba : Nandona moto dia nitsoaka ilay fiara

Omaly tolakandro no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka fahefany, raha nandona kodiaran-droa ny fiara iray dia nitsoaka avy hatrany. Naratra mafy ny mpitondra ilay moto ary ny olona no nifanampy tamin’ny fitaterana azy teny amin’ny hopitaly Hjra. Efa tsy misy ahiana ny ainy. Ny momba ilay fiara kosa dia tsy hita izay nanjavonany hatramin’ny omaly. Mora loatra ho an’ny olona tompon’antoka amin’ny lozam-pifamoivoizana ankehitriny ny mitsoaka. Indrindra raha sendra malalaka ny làlana. Lasa mateti-pitranga izany satria vitsy ny fanadihadiana tonga hatramin’ny farany dia ny fahatratrarana ny tompon’andraikitra. Na hita aza ny laharana indraindray, vitsy ny fiara efa vita famindràna anarana. Matetika eo dia ny tompon’ny fiara teo aloha kanefa mbola tsy nampita izany tamin’ny tompony ankehitriny, no tratra farany. Raha tsy hita indray ny laharana dia manahirana tanteraka ny raharaha. Mbola vao toerana roa raha be indrindra ny làlana misy « caméra de surveillance » eto an-drenivohitra ka hahafahana manara-maso ny fifamoivoizana. Vokatr’izany dia mety ho sarotra ny hahitàna ny lozam-pifamoivoizana rehetra nitranga. Lasa miankina tanteraka amin’ny vavolombelona nahita maso. Eo koa aza dia miala amin’izany ny olona indraindray, satria tsy te-hivezivezy any amin’ny mpanao famotorana sy ny fitsaràna. Mendrika hiompanana ny fijerena paikady matotra amin’ity fitsoahan’ny olona ity rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana satria mitady ho lasa fanao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici