- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Nifamono ny mpivaro-mandeha, iray maty voatsatoka antsy

Andavamamba : Nifamono ny mpivaro-mandeha, iray maty voatsatoka antsy

Niainga tamin’ny fifamaliana faobe ny zava-nitranga. Mpiray trano ireo vatan-dehilahy maromaro izay raha ny fantatra dia avy any ambanivohitr’Ambatolampy ary tonga mitady vola eto an-drenivohitra. Miompana amin’ny varo-mandeha ny asa fihariana iraisan’ireto lehilahy ireto ary mifanampy izy ireo amin’ny hofan’ny efitrano iray ipetrahany etsy Andavamamba. Betsaka ny zavatra iraisan’ireo olona amin’ny fiainainy andavanandro, satria samy mitovy asa ary koa samy iray  trano fonenana. Rehefa faran’ny herinandro koa dia samy tafaraka ary tamin’ity indray mitoraka ity dia niara-nisotro toaka tamin’ny toerana iray. Teo dia efa nanomboka ny fifamaliana rehefa niakatra ny zava-pisotro mahamamo. Tsy nijanona teo anefa ny sotasota fa mbola nitohy hatrany amin’ny efitrano izay niraisana. Efa samy natory iny indrindra ny rehetra ary noheverina fa efa nilamina ny raharaha. Kinanjo nisy iray nihiaka mafibe tao anatin’ny haizina. Zava-doza no hitan’ny rehetra rehefa nampirehetina ny jiro. Ny iray tamin’ireo lehilahy izay efa nilomano tao anatin’ny rà mandriaka. Teo dia samy nanao izay fomba nitazomana ny ainy ary koa nentina tany amin’ny hopitaly Hjra faran’izay haingana. Efa niala aina izy tonga teny an-toerana noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany satria tsy maintsy ny iray tamin’ireo mpiara-monina ireo no tompon’andraikitra tamin’ity vonoan’olona ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici