Tamin’ny telo ora antoandro no naheno poa-basy ny olona teo amin’ny manodidina ka rifatra nitsoaka, samy nanavotra ny ainy. Dimy lahy tsy manao saron-tava ary koa mitam-basy no niditra tao amin’ilay toeram-pivarotana fanafody. Ny telo no niditra tao anatiny avy hatrany raha niambina teo ivelany kosa ny ambiny. Nitondra basy poleta miisa roa ireo farafahakeliny, raha araka ny fanampim-panazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tao anatin’ny trano dia avy hatrany dia norahonana tamin’ny basy izay rehetra tao anatiny, indrindra fa ny mpiandraikitra ilay farmasia. Tsy vitan’izany aza fa mbola niharan’ny herisetra koa ny vehivavy izay mpitam-bola tao amin’ilay toerana. Naratra io farany vokatr’izany ary tsy nisy azo natao ankoatra ny nanome izay vola tao anaty fitoerany ho an’ireo jiolahy. Teo amin’ny fivoahana izy ireo no nanomboka nanapoaka basy ary mazava ho azy mba entina manamora ny fitsoahana. Tsy nisy voatifitra tao anatin’izany rehetra izany saingy fantatra kosa fa nizotra nankany anelakelan-trano tsy mifanalavitra ny lise teknika tany ireo jiolahy. Fanindroany izay no nisy ny fanafihana mitam-basy ka ny fivarotam-panafody no lasibatra. Ny iray farany dia ny farmasia iray etsy Ampefiloha, niteraka vonoan’olona ny fandrobana izay nitranga. Tsy nisalasala irero olon-dratsy nitifitra tsy an-kihambahamba ny lehilahy iray handeha hividy fanafody tao. Maty tsy tsa-drano io olon-tsotra tsy manan-tsiny io. Mbola anaty fari-piadidiana izay isan’ny eto an-drenivohitr’Antananarivo avokoa ireo toerana roa ireo ary tsy mifanalavitra eo ary dia efa misy ny biraon’ny mpitandro ny filaminana sy ny foibe. Nefa dia sahin’ireo olon-dratsy ny nanatontosa heloka bevava ary ny nitovizany dia samy mbola nandeha an-tongotra ireo tamin’ny fitsoahany. Izany hoe tsy dia manahy firy ny amin’ny fanenjehana azy ireo aorian’ny asaratsiny. Hatreto dia tsy mbola tontosa mihitsy ny paik’adin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny fametrahana mpitandro ny filaminana manakaiky ny vahoaka ary koa manakaiky ireo faritra mena na dia efa fantatra avokoa aza ny misy izany. Raha tsy mbola misy ny antsoina hoe « éléments pré-positionnés » na koa ireo mpitandro ny filaminana izay mipetraka andro aman’alina eny amin’ny faritra mena, dia mbola ho mora amin’ny jiolahy hatrany ny mandihy eto amin’ny tanàna.
D.R