- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Novakiana "pare-brise", nogiazana ny fanalahidy

Andavamamba : Novakiana « pare-brise », nogiazana ny fanalahidy

Roalahy mamo namaky fitaratry ny fiaran’olona ary tsy vitan’izay fa mbola nalain’ireo koa ny fanalahidin’ny fiara mba tsy ho afaka hihetsika intsony. Izany no nitranga tetsy Andavamamba ny alin’ny alahady teo raha nandalo teny ny fiaran’ny fianakaviana iray. Soa fa mba haingana dia nahavita niantso polisy ireo niharan’ny herisetra ary vetivety dia tonga tamin’ny fisamborana. Fanafihana no fijerin’ireo fianakaviana ny zava-nitranga. Mety azo heverina ho nentin’ny hamamoana kosa anefa ireo roalahy ary tonga tamin’ny famotehana zavatr’olona. Omaly dia nandalo teny amin’ny biraon’ny polisy ny raharaha ary natao ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany. Niafara tamin’ny raharaham-pihavanana ilay tranga rehefa nilaza ny mpitory fa tsy te-hivezivezy eny amin’ny fitsaràna ary nanaiky ny handoa ny lany rehetra amin’ny fanamboarana koa ny ankilany. Nilaza koa ny andaniny fa zanaka manam-boninahitra ny tompon’andraikitra tamin’ny fanimbàna ary azo eritreretina fa te-hiala amin’ny tsindry samihafa izy dia aleony ny fanamboarana ny simba no ifantohana. Tsy vitsy rahateo ny tranga toa izany eto amintsika. Ry be telefaonina isany rehefa misy olana, ireo milaza ho havan’ny mpitsara sns…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici