- Publicité SW45 -
mardi, mars 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Olona hita faty, may kila ny vatany iray manontolo

Andavamamba : Olona hita faty, may kila ny vatany iray manontolo

Tranga nampihoron-koditra tanteraka no nitsena an’ireo mponina vao maraina teny amin’iny faritra Andavamamba iny, ny sabotsy lasa teo. Vatan’olona iray, efa tsy nisy aina intsony, ary may kila tanteraka, toa ireny avy natao fanahy iniana nodorana ireny, no hitan’ireo mponina, tsy lavitra ny toerana fanariam-pako iray teny an-toerana. “Tsy tsikaritra mihitsy izy io raha tsy ny fisian’ireo alika mifanaretsaka manodidina” raha ny fitantaran’ireo olona nahita. Ankoatra ny nahamay ny vatana iray manontolo an’ity olona ity mantsy dia efa nisy ampahany tamin’ny vatany sy ny taovany norotidrotehin’ireo alika. Nampivarahontsana tanteraka ireo izay nanatri-maso.

Nampandrenesin’ireo mponina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay tonga haingana teny an-toerana. Nanantanteraka ny fizahana sy ny fitiliana am-boalohany ny mpitsabo ary nitondra ny razana nihazo ny tranom-paty kosa ny avy eo anivon’ny Bmh. Ny mpitandro filaminana kosa, nanokatra fanadihadiana avy hatrany, mahakasika ity tranga ity. Azo heverina avy hatrany mantsy fa mety ho vono olona feno habibiana no nitranga. Satria tsy nisy fahamaizana nitranga teny amin’ny manodidina.

Fa ankoatra ity teny Andavamamba ity dia fantatra fa mbola nisy razana nantsingevan’ny rano iray hafa ihany koa teny amin’iny faritra Tsarasaotra iny. Omaly vao maraina indray no nahitàn’ireo mponina azy ity teny an-toerana. Lehilahy izy io ary mbola teny aminy avokoa ny fitafiany rehetra, raha ny angom-baovao azo. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahafaty na nahatonga azy tao anaty rano. Efa eny am-pelatanan’ireo rahateo ihany koa moa ny raharaha. Ary efa nentina nihazo ny tranom-paty ny razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici