- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Pasitera voatafika, lasa ny vola sy entana maro

Andavamamba : Pasitera voatafika, lasa ny vola sy entana maro

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, notafihan’ny sasany ny tranona pasitera iray teny amin’ny faritra Andavamamba. Ny vaovoa no nahalalana fa telo ny isan’ireo mpanafika. Tsy nahare velively ny nidiran’ireo olon-dratsy ilay mpitandrina sy ny vadiny. Izy ireo irery no tao an-trano tamin’io alina io. Efa tafiditra ireo jiolahy vao samy taitra. Ny loharaom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy afaka nihetsika noho ny fampitahorana nahazo azy izy ireo. Nanjaka tanteraka ireo mpandroba. Notakian’izy ireo ny vola. Tsy maintsy nomena azy ny 850 000 ariary. Tsy nionona tamin’izany anefa ireo jiolahy fa nalainy koa ny zavatra sarobidy rehetra, toy ny camera, telefonina miisa telo. Nasainy nomena azy koa ny peratra teny amin’ny tanan’izy mivady. Ny tena nahavariana tamin’ity fanafihana ity, nisy taratasy maromaro hitan’ireo mpangalatra ka noheveriny fa vola. Avy hatrany kosa izany dia natoan’ireo bandy tao anaty gony ary nentiny. Raha vao nahazo izany zavatra marobe izany ry zalahy dia lasa nandeha. Taorian’izany vao sahy niantso vonjy ilay pasitera. Efa dia lavitra anefa ireo olon-dratsy vao nisy sahy nivoaka ny olona. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Efa tsy nisy hita tao amin’ilay trano intsony ry zalahy. Raha ny fahitan’ny voatafika ireo bandy, tsy nisy basy teny amin’izy ireo. Rahom-bava hatrany no nampitahorany an’ireo voatafika.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser