- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Raikitra ny fifampitifirana

Andavamamba : Raikitra ny fifampitifirana

Nifampitifitra ny pôlisy sy ny jiolahy, omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, tetsy Andavamamba. Raha ny fanamarihana azo dia nisy jiolahy nikasa handroba ny tokantrano iray tao an-toerana. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nahatonga an’ireo hiantso pôlisy avy hatrany. Poa toa izay dia tonga ny mpitandro ny filaminana, efa misy mihainohaino matetika rahateo eny Andavamamba. Vao nahita ny fahatongavan’ireo ny olon-dratsy dia nitsoaka avy hatrany ary nanapoaka ny basiny. Raikitra araka izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy nisy voa na ny andaniny na ny ankilany. Tsy voatafika ihany koa ilay trano natao lasibatra. Taitra ny manodidina ary nihorohoro raha nandre ny basy nipoapoaka nandritra ny fotoana elaela.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser