- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Ramatoa nandeha moto maty voatifitry ny jiolahy

Andavamamba : Ramatoa nandeha moto maty voatifitry ny jiolahy

Olona roa, mpivady izy ireo, izay hamonjy fodiana no nataon’ny jiolahy lasibatra tetsy Ambilanibe-Andavamamba. Ilay kodiaran-droa notaingenan’izy ireo no tena nokendren’ireo olon-dratsy raha araka ny fanazavana azo. Nosakanana teo akaikin’ny fiolànana mifanakaiky amin’ny kaoperativam-pitaterana iray, ary teo no nitranga ny herisetra. Rehefa tazan’ilay rangahy nitondra ny moto mantsy fa olon-dratsy ireo nanakana dia avy hatrany dia notohizany ny diany mba hialàna haingana teo an-toerana. Nahita izany ireo olon-dratsy dia namoaka ny basy teny aminy ary tsy nisalasala ny nitifitra. Rangahy voa teo amin’ny tongony ary ramatoa kosa teo amin’ny kibony. Rehefa nidaraboka tamin’ny tany ireo dia nitsoaka koa ny jiolahy ary navelany teo fotsiny. Tsy nisy nokitihany na ny olombelona na ny moto. Ny olona nahita ny zava-nitranga no nifanome tànana tamin’ny fanavotana azy mivady. Notaterina maika tany amin’ny hopitaly ireo mba ho fanavotàna ny ainy. Indrisy anefa fa ny alin’iny asabotsy iny ihany dia namoy ny ainy ilay ramatoa noho ny tifitra nahazo azy. Ny vadiny kosa dia mbola manohy fitsaboana. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia tsy alim-be akory no nitranga ity fanafihana ity, satria manodidina ny tamin’ny fito ora hariva. Izany hoe mbola misy olona mifamezivezy ihany teny an-dàlana, iny kartie iny rahateo dia tsy tapaka olona na dia eo aza ny fihibohana. Tsy nanakana ny olon-dratsy tsy nanao ny asany anefa izany. Tsy vitan’izay fa tsy nisalasala akory na dia iray segondra aza ireo nitifitra ny olona. Ary tifitra tsy natao hampitahoràna akory izany fa tifitra natao hamonoana. Tsy nisy hita ireo jiolahy nony avy eo satria rifatra niala ny toerana. Ireo olona nihoson-drà sy niady tamin’ny fahafatesana no navelany teo. Miverina mafampana ny asan-jiolahy ary mifanesy mihitsy aza hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Mila miparitaka ny mpitandro ny filaminana fa tsy variana fotsiny eny amin’ny barazy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici