- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Ramatoa voaendaka, lasan’ny jiolahy ny vola Ar 60 000 sy...

Andavamamba : Ramatoa voaendaka, lasan’ny jiolahy ny vola Ar 60 000 sy finday avolenta roa

Ramatoa iray avy niasa, tratra hariva handeha hamonjy fodiana, vao avy niala tamin’ny fiarakaretsaka nandehanany no naratra mafy nodarohana roalahy nanendaka azy; afak’omaly alina tokony ho tamin’ny valo ora latsaka tany ho any tetsy Andavamamba Anjezika  tsy lavitra ny biraon’ny Jirama. Tsy nanaiky mora ny fandrobana sy fisintonana ny paoketrany ilay ramatoa, ka nanohitra nefa vono sy daroka niampy ompa variraraka no setrin’izany. Niezaka niantsovonjy teo amin’ny manodidina ny niharam-boina, nefa tsy nisy nanoina, na dia nisy olona aza tsy lavitra teo. Rehefa azon’ireo jiolahy mbola tanora ireto kosa ny rembiny, dia nitsoaka niditra anelanelan-trano izy ireo ka nadio ny rano nitana. Lelavola enina alina ariary sy finday avo lenta roa no lasan’ireo jiolahy, hoy ny nambaran’ilay ramatoa niharam-boina. Noho ny ratra sy dona mafy nihatra taminy teo amin’ny lohany (handrina sy hatoka) dia tsy mbola afa-mihetsika sy miondrika ny tenany hatramin’izao ora anoratanay izao ary mbola manaraka fitsaboana.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser