Handeha hiasa mihitsy ity raim-pianakaviana iray, 63 taona ity, mpamily irony fiara « camionnette » mpitatitra entana irony no nihetsika tampoka ny aretina nahazo azy, teo ambony familiana ary nitondra azy hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy. Tranga niseho omaly antoandro tetsy Andavamamba.
Tsy nisy nanam-po ny zava-niseho, eny fa na dia ireo zanany aza. Raha ny nambaran’ity farany teny an-toerana tokoa mantsy dia olona salama tsara tsy naninona no niarahany niala tany amin’ny tranon’izy ireo. Niara-dalana teny foana izy mianaka ireto ny maraina, tao anatin’ity « camionnette ». Nisaraka teo Ankadimbahoaka nony avy eo fa samy manana ny dia alehany. Ilay rainy, nitondra ny fiara, handeha hihazo an’Andavamamba iny, nandeha irery nanomboka teo. Handeha hihodina ny « rond point » tsy lavitra ny Jirama teo an-toerana no nanomboka hafahafa ny fizotran’ilay fiara, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ary nijanona mihitsy tao anatin’izany « rond point » izany, na dia somary niezaka naka sisiny ihany aza. Toe-javatra, izay zavatra tsy azo atao, araka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ary nampimenomenona ny fiara tao aoriana. Tsy ela dia niteraka fitohanana tsy nisy toy izany teny an-toerana ny zava-nisy. Rehefa nojerana ny zava-nisy dia efa tsy nahatsiaro tena, nihohoka teo ambony « direction » ny mpamilin’ilay fiara. Nilomay namonjy avokoa moa ny rehetra, ary nanala azy teo ambonin’izany familiana izany. Tonga teny an-toerana taorian’izay ny mpamonjy voina sy ireo mpitandro filaminana ary ny mpitsabo. Hita taorian’ny fitsirihana anefa fa efa namoy ny ainy ity raim-pianakaviana ity. Nampandrenesina teo no ho eo ihany ireo fianakaviany. Ny razana kosa, efa nentin’ny Bmh tany amin’ny tranom-paty.
m.L