- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Saika matin’ny fokonolona ireo roa lahy nidaroka sy nanendaka vehivavy

Andavamamba : Saika matin’ny fokonolona ireo roa lahy nidaroka sy nanendaka vehivavy

Tovolahy miisa roa izay monina etsy Andavamamba Anatihazo no naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo izy ireo no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra, rehefa avy nanendaka ramatoa iray niala taxi be teo amin’ny Arrêt Bus Andavamamba. Lehilahy iray no nanaraka ity olona ity rehefa lasa kely ny Arrêt bus ka nandalo teo amin’ny Ecole Privé Champagnat. Teo dia nisy efa-dahy nihodidina azy ary avy eo dia nisy anakiray tamin’izy ireo tonga dia nitsongo ny nonony sy nanolana izany mafy. Ny anankiray hafa indray nisintona ny poketrany , Avy eo dia samy nidaroka azy teo amin’ny kibony, ny tarehiny, ary tratrany izy ireo noho ity farany niezaka nanohitra ka naratra mafy vokatr’izany. Lasa nitsoaka ireto olon-dratsy avy eo. Tsy lasa lavitra dia tratran’ny fokonolona ary niharan’ny daroka ny roa lahy tamin’izy ireo, efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Rehefa natao ny famotorana dia samy niaiky avokoa izy ireo. Eo am-pikarohana ireo ambiny ny mpitandro filaminana etamin’izao fotoana izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici