Ela nitoratorahana ! Tsy vitan’ny hoe namaly mpitandro filaminana am-perin’asa mantsy ireto mpamily amin’ny zotra iray eto an-drenivohitra fa mbola nitondra an-keriny mpandeha maromaro ihany, ho an’ny toerana tsy handehanany akory.
Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any dia fiara taxibe iray, manao zotra mampitohy an’i 67ha sy Mandroseza no nosakanan’ny pôlisy tetsy Andavamamba. Niafara tamin’ny fisamborana ny mpamilin’ity fiara ity mihitsy moa izany fanakanana azy ireo izany. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao, dia niainga teo 67ha io fiara io, tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo, tokony handeha hihazo an’i Mandroseza, araka ny zotra tokony halehany mahazatra. Nony tonga teny amin’ny manodidina an’i Tsimbazaza iny anefa izy ireo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any dia nandà ny tsy handeha intsony ilay mpamily fa handeha hihodina. Najanony ny fiara ary notereny hidina ireo mpandeha maromaro tao anatiny. Tsy nanaiky mora izay fiovan-dalàna tampotampoka izany anefa ireo mpandeha, izay saika mody any Mandroseza avokoa ka tsy nety nivoaka. Raikitra ny fifamaliana. Nanao loham-boto fotsiny anefa ireto mpamily sy ny mpanampy azy ka nakaton’ireto farany fotsiny ny varavarany ary nentiny an-terisetra niverina any 67ha ireo mpandeha tao anatiny. Niantso pôlisy avy hatrany moa ireto farany ary io voasakana teny Andavamamba io ilay fiara. Mbola izy ireo indray anefa no namaly ireo mpitandro filaminana ary tonga hatrany amin’ny fitenenana ratsy mihitsy izany. Hany ka voatery nisambotra azy ireo, ireo mpitandro filaminana ary nitondra azy ireo natao fanadihadiana. Ary dia izao nadoboka am-ponja izao miandry ny fotoam-pitsaràna. Heverin’ny rehetra fa mba ho anatra ho an’ireo mpamily taxibe tsy mahay manaja ny asany sy mpandeha ity tranga ity. Misimisia ny toy izany, hoy izy ireo, fa mijaly loatra ireo mody alina sy lavitra.
m.L