- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Taxi notafihana jiolahy, voatsatoka antsy ny mpandeha sy mpamily, lasa...

Andavamamba : Taxi notafihana jiolahy, voatsatoka antsy ny mpandeha sy mpamily, lasa ny vola

Lasibatr’ireo jiolahy indray tato ho ato izay ny fiarakaretsaka miasa amin’ny alina. Ny sabotsy vao maraim-be teo, taxi iray no notafihana olon-dratsy teny Andavamamba. Lasa tamin’izany ny vola « versement » ary voatsatoka antsy avokoa ireo olona tao anatin’ity fiarakaretsaka ity, ny mpamily sy ny mpandeha. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia saika hanatitra ireo mpandeha roa tao anatiny ity taxi ity no nandalo an’Andavamamba. Tao anaty maizimaizina? kanjo nisy efa-dahy nijoro teo am-povoan’arabe, nanakana ny fiara , toy ireny fihetsika mpitandro filaminana misakana sy misava taratasina fiara ireny. Nasainy nijanona sy naka sisiny ity taxi ity. Vantany vao nijanona anefa ilay fiara dia voahodidina ary voambana basy sy antsibe ny mpamily, nitaky ny vola rehetra nisy tany aminy. Torak’izany ihany koa ireo mpandeha roa tao anatiny. Nieritreritra ny hitsoaka ihany ny mpamily ilay fiarakaretsaka ary namelona ity fiara moramora. Tazan’ireto olon-dratsy anefa izany fihetsika izany ka avy hatrany dia niantefa teny amin’ny tanan’ity rangahy mpamily ny antsibe. Nijininika ny rà. Saika tapaka nikirazorazo mihitsy aza moa ny tanan’ity mpamily ity. Raiki-tahotra ny rehetra nanoloana izany. Efa namoha varavarana handeha hitsoaka ihany koa ireo mpandeha no nosakanan’ireto olon-dratsy ireto ary notrobarany ny antsy. Somary nisolifatra ilay zava-maranitra ka teny amin’ny tendany ny an’ny iray ary ny tarehin’ilay mpandeha iray kosa no naratra. Soa hatrany aloha fa mba tsy nalàn’ireo olon-dratsy ireto ny ain-dehiben’ireto voatafika ireto. Raha ny vaovao voaray hatrany dia toa hoe nisy olona sendra nandalo ihany teny amin’ny manodidina saingy tsy nahatsikaritra ity zava-nitranga tamin’io taxi io. Lasan’ireo mpanafika avokoa ny vola rehetra tany amin’ny mpamily sy ny mpandeha niaraka tamin’ireo entana sarobidy. Nitsoaka mora foana kosa iretsy olon-dratsy rehefa avy nahavita ny asa ratsiny. Efa dila somary ela ihany vao nisy nahatsikaritra ny nahazo ireto olona voatafika tanaty fiarakaretsaka ireto. Ka ireo nahita no nitondra haingana ireo naratra teny amin’ny toeram-pitsaboana.

Vao tsy ela ihany koa fa ny zoma alina no nisy fiarakaretsaka saika hisy hangalatra teny amin’ny faritra Besarety iny, raha ny vaovao voaray hatrany. Raha ny fantatra dia efa tafiditra tao anatin’ity fiara ity mihitsy ry zalahy. Somary mailo anefa ny mpamily, nahita ny fihetsik’izy ireo ka avy hatrany dia nadonany tamin’ny andrin-jiro ilay fiara. Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny araka izany ireo olon-dratsy. Tena mirongatra indray amin’izao fotoana ity fanafihana fiarakaretsaka ity. Na dia eo aza moa ny fepetra sy fitandremana ataon’ireo mpamily fiarakaretsaka tsy maintsy miasa alina dia mbola izao ihany no afitsok’ireo olon-dratsy. Miantso vonjy amin’ireo tompon’andraikitra araka izany izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser