Tokony ho tamin’ny iray ora maraina no tonga nanafika ny jiolahy, tetsy Andavamamba, ny marainan’ny alarobia lasa teo. Tokantrano roa no nifandimy nasesin’ireo olon-dratsy. Efatra raha kely indrindra no isan’izy ireo ka ny iray niambina taty ivelany, mitsirika izay olona sendra hanavotra ary mampandre ny ao anatiny raha toa ka izany no mitranga, ary ny ambiny kosa nanatontosa ny fanafihana. Tao amin’ny tokantrano voalohany, dia tsy nisy na inona na inona azon’izy ireo satria sendra fianakaviana tsy dia nisy atokona. Tao amin’ny faharoa kosa no nahazo vola sy kojakoja fampiasa amin’ny fiainana an-davanandro ireo olon-dratsy izay tsy nisy nisaron-tava akory tamin’ny fanatontosana ilay asaratsy. Vita izay dia nandeha nilamina teny an-dàlana, tsy mba niasa saina akory sao hisy hisambotra ilay ekipa mpanao fanafihana. Tsy dia nisy olona rahateo teny amin’ny làlana satria mbola vao maraina be no maizina hany ka nanjaka tokana ny jiolahy. Mirongatra tanteraka ny fanafihana eto Andrenivohitra. Toe-javatra izay miverimberina ihany rehefa an-katoky ny vanim-potoanan’ny fety toy izao. Ny antony dia betsaka ny olona no miakatra aty Andrenivohitra mba hividy entana isan-karazany, indrindra ireo mpamongady any amin’ny faritra. Io no hanararaotan’ny jiolahy manao ny asany. Tsy izany ihany anefa, fa ny fiparitahan’ny basy koa dia isan’ny manamafy ny tsy fandriampahalemana eto Andrenivohitra. Eo ihany ny basy “tena izy” izay misy mivarotra kanefa ny mpitandro ny filaminana irery ihany no afaka mampiasa izany, fa eo koa ny basy vita gasy izay efa misy mahavita ary azon’ny jiolahy amin’ny vidiny takatr’izy ireo. Ny fitambaran’ireo no antony lasa mitarika ny fisesin’ny asa fanafihana eto Antananarivo. Tsy misy afa-tsy ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy no tokony himasoana voalohany indrindra, raha tiana hihena ny asan-jiolahy. Amin’izao mantsy na mpanendaka aza dia efa misy mivimbina basy ihany koa.
D.R