- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Tovolahy maty voatsindrona antsy, voasambotra ireo namono

Andavamamba : Tovolahy maty voatsindrona antsy, voasambotra ireo namono

Tovolahy mpiara-milalao taminy ihany ireto namono nahafaty azy tamin’ny tsindrona antsy ireto, vokatry ny fifamaliana sy tsy fahazakana taim-bava. Nisy telo izy ireo araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena ary samy efa voasambotra avokoa ny sabotsy maraina teo. Teny Antetezana Afovoany, Andavamamba no nisehoan’ity tranga ity, ny zoma hariva lasa teo. « Lehilahy  telo : 19 taona ny iray ary 17 taona ny roa, voalaza ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesana tovolahy iray, 17 taona niseho teny Andavamamba, ny zoma, 17 febroary 2017 antoandro no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava safelika faha-2 etsy Anosy, teny Andranomanalina sy 67HA » hoy ny vaovao. Raha ny zava-niseho tamin’io fotoana io, niara-nilalao « baby foot » teny amin’iny faritra iny ireto efa-dahy ireto, izay « efa mifankafantatra tsara, satria samy mpanao baby eo amin’ity toerana ity avokoa ». Noho ny antony izay mbola tsy fantatra anefa, dia raikitra ny fifamaliana teo amin’izy ireo, izy telo lahy voasambotra tetsy an-kilany ary ity tovolahy namoy ny ainy ity tetsy an-daniny. Asa raha hoe tsy nahazaka ny fifamaliana intsony ireto telo lahy ireto ka dia nanapa-kevitra ny haka antsy tany an-tranon’ny iray tamin’izy ireo. Nony niverina, tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niletra teny an-tratran’ilay tovolahy nifamaly tamin’izy ireo ilay zava-maranitra. Nijininika ny rà, ary nitambotsotra tsikelikely ilay naratra. Ny olona nahita no avy hatrany dia nitondra tany amin’ny hôpitaly,  saingy indrisy fa nahazo ny fony ilay zava-maranitra ka tsy tana intsony ny ainy. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy ireo fianakavian’ny maty. Niroso avy hatrany tamin’ny fitsirihana ny razana, ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tsy lasa lavitra, na dia nitsoaka ihany aza ireto telolahy namono ka voasambotra teny amin’iny faritra iny ihany sy teny amin’ny 67ha. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary dia nadoboka am-ponja avy hatrany. Vono olona niniana natao no vesatra nanenjahana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici