- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Trano misy rihana 3 kilan’ny afo, fianakaviana 4 tsy manan-kilaofana

Andavamamba : Trano misy rihana 3 kilan’ny afo, fianakaviana 4 tsy manan-kilaofana

Nitrangana hai-trano mahatsiravina teny Andavamamba-Anatihazo II ny sabotsy  15 jolay teo. Vokany, fianakaviana 4 ahitana olona 11 no zary tsy manan-kialofana tampoka satria potika tanteraka ny trano misy rihana telo ahitana efitra sivy nitoeran’izy ireo ary kilan’ny afo ny entana rehetra mba tsy ilazana fa ny eny an-koditra sisa nihangana. Koa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra ireto fianakaviana ireto ny mba hijerena azy ireo satria hatrin’ny omaly Alahady dia mbola tsy nisy nizaha azy ireo mihitsy ny avy amin’ny fitondram-panjakana na dia ny eo anivon’ny fiadidiana ny fokontany aza.

Araka ny angom-baovao, tamin’ny  11 ora no nitranga ity loza ity. Tsy nisy olona tao an-tano fa lasa nivavaka daholo ny rehetra izay marihina fa mpanofa-trano avokoa fa any Sambava no monina ny tompon-trano. Ny setroka mainty nipololotra nivoaka avy ao no nanaitra ny manodidina ka tonga namonjy avy hatrany sady niantso ny Polisy sy ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna izy ireo. Rehefa novahana anefa ny varavarana dia efa lelan’afo be no tao ka tsy nahafahana namonjy ireo entana intsony. Nifandrimbona ny fokonolona namono ny afo tamin’ny fanondrahana rano saingy tsy nahatohitra izany intsony raha tsy tonga ireo mpamonjy hai-trano etsy Tsaralalàna, antsasakadiny taty aoriana. Somary tara ireto  farany satria, araka ny fanazana, noheverin’izy ireo ho olona mananihany ihany hono ny antso nataon’ireo fokonolona  ka tsy nino izy ireo raha tsy ny Polisy mihitsy no nanao ny fampandrenesana.

Fa ny tena loza dia, raha araka ny fitarainana heno teny an-toerana, ny filazana fa tsy tokony ho goavana toy izao ny fahavoazana raha tsy nihidy ny paompim-pokontany izay tsy lavitra akory an’ilay hai-trano. Nohidin’ilay Ramatoa tompon’andraikitra, hono araka ny fitarainan’ireo niharam-boina, io mpaompy io raha vao niseho ny loza satria nambarany fa tsy natao ho amin’ny hai-trano ny rano fa vidina. Mahagaga ihany raha amin’ny vonjy taitra toy izao no mbola hametrahana fepetra toy izany.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici