Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, no nitranga ny fanafihana. Tokantrano telo no indray nasesin’ireo olon-dratsy. Tsy nisy afa-nanoatra satria voalohany sendra ny be noho ny vitsy ary faharoa manarak’izany, nitam-basy avokoa ireo mpandroba. Nanaram-po izy ireo nanao ny fanafihana satria na teo aza ny antso vonjy ny olona teo amin’ny manodidina, dia nanidy in-droa ny tranony noho ny tahotra sao ho voatifitry ny basy. Ny trano hafa dia niandry fotsiny izay handalovan’ny jiolahy ao aminy indray. Izany tebiteby izany no niainan’ny olona teny Andavamamba, nandritra ny alina iray manontolo. Lasa ny vola izay mba tao an-trano ary torak’izany ihany koa ny kojakojan-tokantrano isan-karazany. Vita izay dia niova trano indray ary dia nahavita trano telo vao nitsoaka ireo jiolahy. Nihorohoro ny olona no sady tezitra tamin’ny zava-nitranga. Navesatra tamin’izy ireo ny hoe tsy afa-nanoatra kanefa nisy mpiray monina niady mafy tamin’ny ainy tao anatin’iny fotoana iny. Miverina mafampana indray ny asan-jiolahy ary miaina ao anaty tebiteby ny olona vokatr’izany. Ny antony, dia misy basy hatrany any amin’ireo jiolahy isaky ny manatontosa ny asaratsiny. Mahatsiaro ho marefo ny olona noho ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana manampy azy ireo amin’ny fiainany. Raha any ivelany, minitra vitsy monja dia tonga ny hery vonjy taitra, satria efa misy azy ireo mipetrapetraka isaky ny kartie ary miandry antso fotsiny. Ny eto amintsika, mbola misy olana amin’ny isa, amin’ny fiara ary koa amin’ny enti-manana toa ny solika. Izany olana rehetra izany no voavaha izay vao afaka mihetsika ny mpitandro ny filaminana amin’ny fidirana an-tsehatra. Vokany : efa tafaporitsaka ny ankamaroan’ny jiolahy vao tonga ny mpisambotra azy. Mila jerena akaiky ary tokony hatosika bebe kokoa amin’ny fandaniam-bola eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, raha tena manana tanjona hiady amin’izao tsy fandriampahalemana izao.
D.R