Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Miharomotra ihany koa ny olona etsy an-danin’izay, ka toa efa tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony fa avy hatrany dia manafay izay jiolahy tratrany. Toy ity nitranga indray tetsy Andavamamba ity, omaly vao maraina. Tovolahy iray, manodidina ny 25 taona, antsoina hoe François, no tratran’ny olona teo am-panaovana ny asa ratsiny. Raha ny voalazan’ny mponina teny an-toerana dia olona iray sendra nikirakira ny fiandainy no efa narahiny avy lavitra. Tao anatin’ny ampahan-tsegondra no nisintomany ity fitaovana avo lenta teny an-tananany. Niantso vonjy avy hatrany ity olona ity ary raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra akory dia efa teny am-pelatanan’ny fokonolona ity olon-dratsy. Nitangorona ny olona ka raikitra ny daroka sy vono. Nandeha ny feo ny amin’ny handorana velona ity mpanendaka. Efa nisy mihitsy aza ny nitondra kodiarana vetivety teo. Tsy raikitra ihany anefa izany tamin’ny ora farany ary naterina teny amin’ny manampahefana ity tovolahy. Tamin’izany no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka ity olon-dratsy ity ary efa nigadra. Tato ho ato tokoa dia tsikaritra ny fioharam-pefin’ireo mpitandro filaminana toy izay niseho tany Mananjary, ary manginy fotsiny ny teto an-drenivohitra toy izay nitranga tetsy Analakely, ary omaly teo Besarety. Manoloana ireny tranga isan-karazany ireny, toa tsy mahagaga intsony raha tsy hatoky azy ireny ireo fokonolona ka miroso amin’ny fitsarambahoaka. Asa, mila ezaka manokana avy amin’ireo mpitandro filaminana angamba, mba hiverenan’izay fitokisana izay.
m.L