- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Voasambotra ireo mpanendaka mpiantsena maraina

Andavamamba : Voasambotra ireo mpanendaka mpiantsena maraina

Tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ihany ny fitarainan’ireo olona tsy maintsy hivoaka maraina noho ny fitadiavana, kanefa dia ataon’ny mpanendaka mahita faisana eny amin’iny faritra Andavamamba iny.

Ny alahady lasa teo tokoa mantsy dia mpanendaka  teo amin’ny dimy lahy teo, efa niandry fotsiny ireo hazany vao maraina no noraofin’ny polisy teny an-toerana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. « Ho famaliana ny fitarainana ataon’ny olona mikasika ny firongatry ny asa ratsy fanendahana eny amin’ny faritry ny Cenam 67Ha iny ka ireo mpivarotra sy mpiasa mandeha maraina no tena ataon’ireo olon-dratsy lasibatra amin’izany » no antony nirotsahan’ireto mpitandro filaminana ireo vao mangiran-dratsy teny an-toerana ka nahazoana io vokatra io. Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro talohan’io no efa nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny SAG ary nanao savahao sy fisavana ireo elakelan-trano rehetra, toerana izay mety ho hamaharan’ireto tontakely ireto. Niafara tamin’izao fisamborana azy dimy lahy izao  izany paikady izany. Voalaza, fa tamin’io fotoana io dia mbola nahitana antsy lavalela sy « barre fer 6 » marani-doha tany amin’izy ireo. Fitaovam-piadiana izay ampiasain’ireto tontakely ireto manao ny asa ratsiny sy mandrahoana ireo mpiantsena sy mpanarety. Marihana hoy hatrany ny vaovao fa ny telo tamin’ireto mpanendaka ireo dia mbola zaza tsy ampy taona avokoa, kanefa dia efa izao mampitondra faisana olona maromaro izao amin’ny  fanendahana sahady. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana azy ireo moa ireo mpitandro filaminana ka hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny Fampanoavana izy dimy lahy. Na izany na tsy izany aza anefa, mety ho mbola maro ireo namany mihaodihaody eny amin’ ireo faritra ka tsy nijanona hatreo akory ny famerenana ny fandriampahalemana ataon’ireo  polisy eny an-toerana, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici