Lehilahy iray antsoina hoe Jerrico no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-4 mikasika vono olona niseho tamin’ny 7 aogositra lasa teo. Voarohirohy tamin’ity famonoana ity io lehilahy io. Rehefa nandalo ny mpitsara mpanao famotorana izy, dia nalefa eny Tsiafahy. Olona iray antsoina hoe Liva no fantatra fa nisy namono teny Ambilanibe Andavamamba, ny 7 aogositra. Very tamin’io fotoana io ny bisikileta nentiny ; izay an’ny rahalahiny. Hanatitra an’io bisikileta io izy no nisy namono. Nandeha avy hatrany ny fikarohana izay ho nahavanona ny famonoana. Niantefa teny amin’i Jerrico ny ahiahy. Ity farany ity dia voalaza fa malaza ratsy amin’ny asa fanendahana amin’iny faritra iny. Rehefa nosamborina izy, dia nahitana antsy lava lela fitondrany manendaka tany aminy, hoy ny vaovao.
r.s.