- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Zazarano dimy volana, natsingevan’ny rano

Andavamamba : Zazarano dimy volana, natsingevan’ny rano

Raha somary tsy dia re tato anatin’ny fotoana vitsy ny resaka fanalan-jaza izay niseho lany teto amintsika, dia niverina nahazo laka indray izany ankehitriny. Zazarano manodidina ny dimy volana nisy nanary teo amin’ny lakan-drano eny Andavamba indray, no nitangoronan’ny fokonolona, omaly maraina. Raha ny fanazavan’ny manodidina nanatrika ny zava-niseho teny amin’ny manodidina teny  dia voalaza fa ireo mpiasan’ny APIPA mpanadio isa-maraina io lakan-drano io no nahatsikaritra izany voalohany. Nifangaro tamin’ny fako nanentsina ny lakan-drano ity zazamenavava ity ka tsy fantatra mazava raha tazanina lavitra. Marihina fa, tambanin’ny tetezana amin’ny sampanan-dàlana mankany Ampasika sy 67 ha atsimo no nanitrihan’ilay nahavanon-doza ity zazamenavava ity. Rehefa nirosoana anefa ny fanadiovana iny faritra iny, dia akory ny hatairan’ireo mpiasan’ny APIPA raha nahita izany. Manodidina ny tamin’ny sivy ora tany ho any no nahitan’izy ireo izany. Ireto farany nony avy teo no nampiakatra an’ilay fatin-jaza tamin’ny bozaka amin’ny sisin’ny lakan-drano ary nampiantso ny manodidina. Mbola niaraka tamin’ny tadim-poitrany ilay zaza. Ny manodidina nitsetra azy no nanisy “Rideau” nandrakofana ity farany. Tsy fantatra hatreto ny tena tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” sy ny fanadihadiana ny polisy. Ny razana kosa efa nalain’ny BMH.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici