
Anatin’izao vanim-potoana fialan-tsasatra izao, tsy kely lalana ny ratsy fa dia lasibatra ny mpangalatra ny bisikileta. Mitombo rahateo ny mpanjifa izany. Vehivavy miisa efatra no voasambotry ny zandary teny Avaratsena Ambohidrapeto Itaosy omaly. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary, nangalatra dia nivarotra no fomba fanaon’ireo vehivavy ireo. Teo am-panavaona ny asa ratsiny mihitsy no tratra. Fantatra anefa fa halatra ny bisikileta namidin’izy ireo 160.000 Ariary ny alatsinainy teo. Tamana dia tonga hivarotra bisikileta halatra hafa indray, kinanjo niantsoan’ny olona zandary avy hatrany. Noraisim-potsiny izy ireo. Voamarina fa tena halatra ireo bisikileta. Angalarina amin’iny faritra Itaosy iny ihany ary mifindra toerana fotsiny amarotana azy. Nisy ny fitarainana nataon’ny very fananana ka izao tonga amin’ny fahasamborana ireto andiam-behivavy ireto. Notanana ao amin’ny zandary Bemasoandro ireo fanaovana fanadihadiana. Mampahatsiahy ny mpitandro filaminana fa tokony ho mailo hatrany amin’ny fananana indrindra amin’izao fotoam-pialantsasatra izao. Betsaka ny manararaotra, indrindra moa rehefa lasa miala sasatra an-toeran-kafa ny olona. Tsy tokony ho tapaka olona ao an-tanana.
Yv Sam