Ao anatin’ny fikambanan-jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe « Naza Gangs » ry zalahy ireto, izay hivondronana zatovolahy maromaro malaza ratsy amin’ny resaka herisetra, fanendahana ary vaky trano, eny amin’iny faritra Soamanandrariny sy ny manodidina iny. Ny sabotsy lasa teo, rehefa nahazo angom-baovao ny zandary no voasambotra ny roa tamin’ireto zatovolahy ireto, niaraka tamina ramatoa iray, izay voalaza fa mpandray ireo entana rehetra avy nangalarin’izy ireo. Tsy vitsy no efa lasibatry ry « naza gangs » ary efa maro ireo velon-taraina mahakasika ny asa ratsy ataon’izy ireo. Nandray an-tanana avy hatrany izany fitarainana izany ireo zandary ary nanao ny fikarohana ireto andian-jatovo ireo. Efa fantampantatra ihany ireo mpikambana ary efa nokarohina ela izy ireo hoy ny zandary. Tamin’io sabotsy io no fantatra ny toerana nisy ireo roalahy, anisan’ny mpikambana ka nirotsahana avy hatrany teny an-toerana. Tsy afa-niala intsony ry zalahy ary voasambotra soa aman-tsara niaraka tamin’ny entana sasantsany avy nangalarina izay hita tao an-toerana. Tsy vitan’izy ireo ihany notondroiny ihany koa ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Marihana hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandary fa efa tena hikoizana tanteraka amin’ity asa ratsy ity ry zalahy ireto, eny fa na dia mbola azo lazaina fa kely taona aza. Fantatra mantsy fa efa indroa nigadra izy ireo, ny taona 2016 sy 2019, noho ny fifohana rongony sy famakiana trano. Notanana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zandary moa izy ireo, ho amin’ny famotorana azy, mialohan’ny hanolorana ireto farany eny anivon’ny Fampanoavana. Tsapa tokoa tato ho ato izay fa tena nirongatra izay tsy izy ny resaka fanendahana sy vaky trano teny amin’iny faritra Ankadindramamy, Ambatomaro, Ambohimahitsy ary Soamanandrariny iny. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ireny ny mpikambana tao anatin’ity « naza gangs » ity hoy ny zandary. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ny naman’ireto zatovo, mpanendaka ireto sy ireo olona izay mety ho mpiray tsikombakomba aminy.
m.L