- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndian-jiolahy saika hanafika an’Analavory : Maty voatifitra ny telo, azo sambom-belona ny...

Andian-jiolahy saika hanafika an’Analavory : Maty voatifitra ny telo, azo sambom-belona ny efatra

Soa ihany fa nahazo vaovao mialoha ny teo anivon’ny zandary, nahafahana nisoroka mialoha ny fanafihana fa raha tsy izany dia efa rà mandriaka ny tao Analavory.

Ny alatsinainy teo tokoa dia re fa misy andian-jiolahy mikasa hanafika Analavory. Fito no isan’izy ireo, izay miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny ody gasy, ary efa an-dalana, rehefa avy nandray fiara tao Tsiroanomandidy. Tsy nanao ny vaovao ho tsinotsinona ireo zandary tao amin’ny poste avancé tao Analavory fa nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fisavàna ireo fiara rehetra mandalo. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any, teny amin’ny Amparihivato Analavory , raha handeha hanakana fiara iray, taxi-brousse mini-bus Toyota ireo zandary no nisy tifitra variraka avy hatrany niantefa tany amin’izy ireo. Nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy kosa no nitsambikina avy eny am-baravarakelin’ny fiara ary niezaka nitsoaka nandositra. Niezaka niaro tena sy namaly tifitra moa ireo zandary nanakana. Vao maika anefa nihamafy ny tifitra avy tamin’ireo olon-dratsy. Nahery vaika ny fifandonana sy fifampitifirana saingy efa za-draharaha tanteraka ireo zandary ka tsy nisy naninona. Tamin’ireo olon-dratsy kosa dia nisy telo no lavon’ny balan’ny zandary raha efatra kosa ireo nilavo lefona sy nanaiky nosamborina. Basy miisa telo niaraka tamin’ny bala marobe no tra-tehaka tany amin’ireto olon-dratsy, niampy antsy « poignards » miisa dimy sy moara, ody gasy tsy tambo isaina. Raha ny fampitam-baovao azo dia « lehilahy iray zanaka mpivarotena ao Analavory taloha no anisan’ny mpitarika ireto jiolahy ireto ary anisan’ny azo sambo-belona ». Ireo namany hafa kosa dia saika avy any an-drenivohitry ny faritra Bongolava iny avokoa : Bemahatazana sy Amparihimanga. Nankasitraka izao ezaky ny zandary izao avokoa ireo mponina, afa-doza. « Miantso ny olona hanome vaovao ara-potoana hatrany ny Zandary raha vao mahita trangan-javatra hafahafa hahafahana misoroka ny zavatra mety hitranga» hoy ny vaovao. Marihana fa tazomina ao Analavory ireto jiolahy sisa tsy maty ireto miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny fitsaràna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici