
Efa samy jiolahy raindahiny amin’ny famakiana trano avokoa izy ireo no sady efa mpamerin-keloka rahateo. Nisy ireo efa nigadra teny Antanimora ary nisy mihitsy ny teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Mbola tratry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritra Soamandrariny indray r’ingahy isany ireto, rehefa avy nanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Ambatomaro iny, ny alarobia teo.
Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary, « lehilahy 39 taona, tsy manana asa, tsy manana fonenana raikitra, efa nigadra tany Mananjary noho ny resaka halatra. Lehilahy 50 taona, tsy manana anton’asa, efa nigadra indroa: 2017 tany Tsiafahy noho ny resaka halatra sy vaky trano, 2021, Antanimora noho ny raharaha vaky trano ary lehilahy hafa 49 taona », no voasambotr’izy ireo, taorian’ny fisafoana sy ny angom-baovao nataon’izy ireo. Teo am-pivarotana ireo entana halatra azon’izy ireo taorian’ny asa ratsy nataony no naha-voapaingotry ny zandary ireto olon-dratsy ireto. Nampiahiahy tokoa ny fihetsik’ireto farany tamin’izay fotoana izay, antony nahatonga ireo mpanao fisafoana hisava azy ireo. Mbola nahatratrarana « barre à pince », « pince coupante », sy fitaovana hafa teny amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Fitaovana izay azo inoana fa fampiasan’izy ireo, rehefa mamaky trano. Notanana natao andrimaso avy hatrany ireto ingahilehiben’ny famakiana trano ireto, ho amin’ny famotorana. Miantso ireo olona efa izay niharan’izany eny amin’iny faritra iny rahateo ny zandary hametraka fitoriana. Aorian’izay dia atolotra ny fitsaràna izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany.
Tao ho ao tokoa dia mandry andriran’antsy tokoa ny mponina eny amin’iny faritra Ambatomaro, Mahazo, Soamanandrariny sy ny manodidina iny noho ny afitsok’ireo tontakely, na io mpamaky trano na io mpanendaka. Azo heverina fa mety fa hilamin-tsaina amin’izay angamba aloha, tamin’ny fisamborana ireto raiben-jiolahy ireto.
m.L